Pain quotidien - Jea 2 : 1 - 12
Ho aminareo anie ny Fiadanana ao amin’i Jesoa Kristy !
Ry havana, volana vaovao, lohahevitra vaovao : « Mamonjy ny tenin’Andriamanitra ».
Mampihasinkasina ny herin’ny tenin’Andriamanitra izany lohahevitra izany:
Teny mitondra famonjena sy fiadanana ( Zak 8 : 7-8)
Teny mampiorina ny finoana ao anatin’ny sarotra ( Lio 6 : 47-49)
Teny fiainana miaro amin’ny fakampanahy ( Jao 6 : 68)
Teny handresena ny herin’i satana sy ny faharatsiana rehetra ( I Jao 2 : 12b)
Ho aminareo anie ny Fiadanana ao amin’i Jesoa Kristy !
Ry havana, volana vaovao, lohahevitra vaovao : « Lehibe ny fiandrianan’Andriamanitra».
Ny fiandrianan’Andriamanitra dia milaza ny fahalehibiazany,
ny heriny sy ny fahefany. Asehon’ny Soratra Masina izany hery sy fahefana izany :
Tompo Izy ( Deo 10 : 17)
Mandresy ny fahavalo ( II Tan 20 : 6b)
Afaka mibaiko ny voary manontolo ( Jao 2 : 8)
Manadio ny olona amin’ny fahotany ary manasitrana azy (Mar 1 : 41b)
Ho aminareo anie ny Fiadanana ao amin’i Jesoa Kristy !
Ry havana, volana vaovao, lohahevitra vaovao : « Manetry tena ny mpino».
Ny fanetren-tena dia toetran’i Jesoa ary takina amin’ny mpanara-dia Azy mihitsy. Ny mpino
manetry tena dia :
Manana fitiavana sy baikon’ny fitiavana ( Kol 3 : 14)
Mandray anatra sy famaizana (Oha 29 : 15 a)
Tsy mirehareha ( Lio 14 : 11)
Manaiky ny hery sy ny fahefan’Andriamanitra ( Gen 3 :9b)
Manaiky fa mpanafaka amin’ny fahotana Jesoa ( Mat 1 : 21)
Manaiky an’Andriamanitra ho Ray (Mat 23 : 9)